You are here: home > Vetso

ny lasa... - HASINIONY

Azo vakiana?

Hatrizay ny lasa . . .
Oviana moa ny tsiaro ?
No tsy nitondra ratra
Sy rofy miharoharo,

Toa mampanavinavy
Takaitram-pahatsiarovana
Manembana ny ho avy
Ka tonga mahatorovana.

        Saingy io no trano bongo manetro-takariva
        ‘Zay hany aro oran’ny lalamben’ny velona
        Hazo amoron-tevana madiva dia madiva…
        Ny siokanao ry lasa toa satry indray hielona!

Hametraka hevitra

Midira aloha