Ilay Fitsikinao ... (Ny Kanto)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitsikinao ….

Feno misitery sy ankamantatra
Ilay Fitsikinao mijadona mahitsy
Vita sikotra eo i-molotrao mihintsy
Ny mandrakizay tsy tazako tsy fantatra

Ny Fitsikinao toa iposaham-pahatoniana
Farihy filomanosam-piadanana
Mamoha ny varavaran’ny fisainana
Ho amin’ny andro lavi-panahiana

Anefa tsinjo koa mifangaraharo ao
Anaty tsikinao ireo adim-piainana mafonja
Fitsiky miaro fo tsy ho voafonjan’
Ireo tolona, hakiviana mifamaho

Zary miendrika fitaratra indraindray
Fahasarotan-kenatra maha-vaka ny fanahy
Sa fanajana izay asetrinao ahy
Ny Fitsikinao tsy ho adinoko mandrakizay

Ny Kanto. Parisy. Septambra 2006.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Fiderana
2144 0
Commentaires
Malalason ( 15/06/2007 14:50)
mhmmm mahafinaritra
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162