Hetraketraka (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HETRAKETRAKA

Ny ahy ny fiainana
Tsy resa-jaza
Fa lalana matotra ;
Izaho tsy misangy
Ny aina ho lalaovina
Na namako aza,
Fa izay azon-tady
Na mahery aza
Tsy maintsy voafatotra!

Ny ahy koa ny hevitro
Ny ahy tsy mipody:
‘zay ny ahy dia izay !
Manomboka hafàna
Ny antoko hifanandrina
Ka mety ny mody,
Sao hoe hangina
Kanefa hanenina mandrakizay!

Indrindra indrindra
Mba tsarovy tsara
Ny dina napetraka;
Fa ny fiainan-drehetra
Tsy maintsy misoratra
Hanjary ho tantara;
Fa izaho mba hanaja
Nefa ianao
No dia mihetraketraka.

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Faribolana SANDRATRA Antananarivo
Beronono –Anjozorobe, faha 01 jolay 2003
--------
Lien:
Catégorie : Namana
1276 1
Fans: sarondrahona
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146