ny nahitako anao (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nidoboka nila nandoaka ny tratrako, ny foko mitempo fitia aminao,
Eh! Taona no niodina vao tafatafa, kanefa ny foko eto hatramin’izao
Dia toy ny kintana anatin’ny alina, hita mamiratra toa manirery,
Velona anaty fitia manankery.

Ny volana tsinana, ririni-mangoly, fanalàn-tsorisory,
Ny foko mivetso fitia ao anatiny serena, oriory;
Kanefa toa zary maraina ny tany, ny alina foana!
Rehefa ny tiako no tonga anolohana.

Nafeko anefa fa ndrao fantatrao, ‘ty foko nidoboka nila hovaky
Ny endrikao kanto no reko ato anaty
Izay nampitsamboatra ny foko efa tia

Ka zany ry tiana no aty nafeniko, ny foko mitia
No sabatra handresy ny halaviran-tany
Mba tsy hitomany.
01/03/15
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1421 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 02/03/2015 03:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0428