You are here: home > Vetso

Faniriko (Faniriako) - Ari Ira

Tsy mba fasana ilevenana
fa paradisa soa onenana
no nosokafanao ry tiako,
naha-to ny faniriako….


Ianao,
ilay vazy hanotorako
voninkazo tsara loko,
ireo hanitra ato am-poko
hivelatra ao anatinao.


Izaho,
voa iray manaiky hitsiry
an-jaridain’ny fonao
ka ny raozy hipoitra avy ao
haingon-tsika roa rahavana…
Fa vokatr’ilay fitiavana….

Ratompokolahy Ari Ira, 21-07-15 à 22h30
ho an'i Faniry

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha