Tiana (Ari Ira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny adala aho, mitapy
mahita fa mitopa sy manonjanonja
maneho ny hamanjamanjany ilay ranomasina,
ka ny ranomasoko nisosa moramora
nanjary maromaro
satria mahatsiaro
ilay vatanao matsora
nandihy teo anoloako fony isika nampiaraka
ka dia nampihoraka ireo nahatazana
ka nihevitra hoe notazana ny voan'ilay fitia.

Dia natopitopiko ny masoko
hankafy ny fitopatopany,
entiko hanembonana
tsy misy hanombinana
ireo ora niarahana.
dia azoko sary antsaina
ireo hetsiketsikao
maneho ny hetsaketsakao
irony tsikitsiky
natao an-tsokosoko
fa mbola bedy tamin'ireny
ka tsy nisy sahy niteny.
hoe mpifankatia isika

Tsy tantiko intsony dia lasa aho niala
sao hisy hihevitra hoe lasa adala
mieritreritra, mierikerika
maka sary an-tsaina sy mamerina miaina
ireo efa navalon'ny fotoana.
Fa mahatsiarotsiaro hoe matsirotsiro
mandinidinika hoe nadinidinika
ireo efa vita
Ka ny ranomasoko nisosa moramora
nanjary maromaro
satria hatramin'izao
mbola tiako foana ianao....


Nosoratana tany Soanierana-Ivongo ny taona 2013
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1406 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0489