You are here: home > Vetso

Iza moa ianao? - Hatenaina

Fa iza moa ianao iny
No sahy mandevilevy ahy ?
Mba lazao ny marina
Moa avelo sa fanahy ?
Fa toa mahasahy mijoro
Hampianjera sy handringana
Toa vato hanorotoro
Handavo sy hamingana
Iza marina àry ianao
Fa tsy fantatro mazava
Iza ? mba lazao
Ary afaho ny saron-tava
Fa miseho ho vatolampy
Manakana ny diako
Miseho ho manaratsy
Ny làlam-paladiako
Fa iza marina àry ianao
Fa mba tiako hofantarina
Moa ho sakaiza hilalao
Sa fahavalo mila anarina?

Sokajy : Hambom-po

Hevitra mandeha

Sederamioty (19/05/2019 17:08:50)

tiako

Hametraka hevitra

Midira aloha