Ventsoventso (Hatenaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry rahona an-danitra miadam-pisosa
Ry rano miavovona mila hiavosa
Ry eri-mifafy mangina tsy re
Ny foko efa manina mila handeha

Ry anjely ao an-danitra an-tapitrisa
Ny foko tsy mitsahatra mamisavisa
Ilay andro hiverenako any amin'ny Ray
Ka hifalian'ny foko eo an-tratrany indray

Ry vola-mazava mateza jerena
Ny foko mahantra mitady fierena
Fa maratra,mitringa,mila hianjera
Ary ho torotoro ka hampahonena

Ry kinta-mamiratra tsy azo tohaina
Maratra ny fo,ketraka ny aina
F'ilay nandrandraina lasa nandositra
Ilay nantenaina no tena fositra

Ry masoandro mpitsiky sy mpanazava
Ampio re ity foko torovana lava
Ampio mba hatoky ary koa hanantena
Fa Andriamanitra Ray manome famonjena
--------
Rohy:
1064 1
Mpakafy: Hatenaina
Hevitra mandeha
katrynah ( 17/02/2020 15:20)
Marn zanee tiako!!!
Tohizo fa tsara

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hatenaina
Nampiditra : Hatenaina
Daty : 09/11/2018 13:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136