Jehovah ô! - Hatenaina
Azo vakiana?
Jehovah ô!ianao mahita
Ity fahoriako tsy hita isa
Ianao io mahafantatra
Ary tena mahatakatra
Ireo latsa holanjaiko
Hatramin'ny farafofonaiko
Ka ampio re fa mijaly
Sitrano fa marary
Ampio fa torotoro
Ampio re mba hijoro
F'ianao ilay Ray mpiahy
Mampandositra ahiahy
Inoako hitantana ahy
Sy handrotsaka fanahy
Fa tsy sanatria handatsa
Ity fahoriako lali-paka
Fa torotoro re ny tena
Osaosa mahonena
Silatsilaka ity fo
Tena kivy mafy koa
Ka ampio re mba hitraka
Sy hihomehy hikakakaka
Ampio fa ontsaontsa
Ity foko votsavotsa!
Sokajy :
Vavaka
Mombamomba
Mpanoratra : Hatenaina

Nampiditra : Hatenaina
Daty : 05/11/2018
Mpamangy : 704
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RATOVOVAVYSambatra
Fahasambarako
I Jehovah
Mangata-dalana
Fasam-poana
Ventsoventso
Iza moa ianao?
Raha mbola misy
Indrisy ry foko!