Fahasambarako - Hatenaina
Azo vakiana?
Andray izany hafaliako!
Fa toha ny faniriako!
Toa mazava indray ny androko
Fa tratrako ny tanjoko
Izay tazaniko rehetra
Hazo,rivotra,etsetra...
Dia indreo manambara
Fa efa niova ny tantara
Ela ny ela re ry fiainako tomany
Fa indro ianao hariako any alavitra any
Fa ny fahasambarana efa sasa-miandry ahy
Ka indro aho hibitaka fanahy
Veloma ianao ry ranomaso
MasinĂ re ianao ry ankaso
Fa efa namako ny fahasambarana
Izaho koa efa miaina an-kalalahana
Efa nilaozako ny sento
Paradisa ny ahy hatreto!
Sokajy :
Fifaliana
Mombamomba
Mpanoratra : Hatenaina

Nampiditra : Hatenaina
Daty : 25/01/2019
Mpamangy : 939
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
RATOVOVAVYSambatra
I Jehovah
Mangata-dalana
Fasam-poana
Ventsoventso
Iza moa ianao?
Raha mbola misy
Jehovah Ă´!
Indrisy ry foko!