HIRA HO ANAO (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIRA HO ANAO
- ilay tovolahy -

Ritsoky ny fo
aingan'ny fanahy
Rindra tonga hira mba satriko hiraina

Entiko mamoha
ny manodidina ahy
hiara-hiatsa ny fitiavako anao ry Sombinaina!

Ny taratra masoandro,
ny hazavan'ny volana
iriako samy iantefa an'ati- efitranonao

ka tontolo andro
lavitry ny olana,
no hiainanao mianoka 'zao hirako izao!

Tiako, ange, ianao e!
hjravs (kanto arindra)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana
1459 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146