AMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY... - hjravs
Azo vakiana?
Tsy hoe ianao no tsy tiany a!
Raha izao bika aman'endrika izao no holavina
na tsy ho tiavina,
dia tsy hay ny handikàna
ny hoe hatsarana!!!
Ka... Tsy ianao no tsy tiany,
(Tsy 'zay tiany no tsara!)
fa efa nosokajiany
any anatin'ny lisitry ny maramara
ny lokon'ny toetra:
'Lay midy bonaika tsy tia setrasetra
fa manafin-koho;
Tsy vandana imaso fa vandana ivoho;
Mampifandrafy ny atsy sy aroa!
Maramara faritany
ho ratsy hatr'izao,
fa maramara, toa, hitany
hisaloranao....
Raha tsy izay, moa, no marina,
dia... ny solomasony, kosa, no tokony hamboarina,
Amin'izay ianao ho tiany,
AMIN'ILAY TSISY "TSINY"!!
Hjravs
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 27/05/2022
Mpamangy : 100
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
A F A P O T O R YFITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO
5/5
Tantara : FONJAN'OLO-MARINA