KILASIMANDRY (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KILASIMANDRY

Ny zavatra andrarana
vao maika mahaliana.
Dia iny aho tsy tana,
nandady moramora nitady ny fandriana;
fandriana misy anao.

Fa sangisangy ratsy no nataonareo sy i Soa,
tena sangy mihoatra loha:
nony maty jiro, nifanova 'nareo roa...
Izaho tsy nanampo,
fa tanaty aizina aho no nanao tsianjery,
ka vita tsisy an-tery,
vao indreo nifampitsilo tamin'ny jiron'ny finday
dia... samy vaka 'zahay!
Hay i Soa no sahy
sy nankasitraka ahy,
f'ianao tsy te handà!!!
Misaotra ihany aloha e!
Amin'ny soratray sy i Soa a,
ianao tsy maintsy eo,
ho vavolombelon'ny tantara izay niseho!

hjravs (Fandalina tak. 13)
--------
Rohy:
1610 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105