You are here: home > Vetso

FITORIANA - hjravs

Nitady teny aho hahalaza;
voambolana sahaza
ny fitiavako anao
fa tsy mahita hatramin'izao...
Ny hoe "tiako ianao", "hany hasambarako";
"hany hamaritako ny tsarako":
Toa sombin-teny
ihany ireny!!

Afa-po aho sombinaiko
fa tsy hahalaza ny holazaiko
raha ny fahefan'ny saiko...
Koa aza andrasanao ny vavako
mba hanambara ny fitiavako
fa ny fitoriana
ny ahy "Mangina"!

hjravs