T S Y A N K A M E L Y M A N D R Y. (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I KIALA

Lazaiko an'ialahy
fa ny tena lehilahy
tsy mba manindry lavo tsy afa-miarina
fa mandala fitsipiky ny "Ady marina":
Arenina aloha
izay lavo sy voa
mb'ho tafarina indray;
aorian'izay
- raha toa samy sahy - vao mifandray
sy manao "iray sy iray",

Fa... iny sipa iny,
tsy nisy tsiny,
hono, iny fahiny
satria virijiny...
Fa ankehitriny
kianinin'lisany
fa hoe lasa anisan'
ny zanaky ny alina.
Tsy mba nisy nandalina
ny anton'izany
fa kiana avy hatrany.
Tsisy nanadihady
hoe nankaiza 'lay vady
ilay tiany dia tiany
sy mba nitokiany
'lay hany nandaozany ny fianankaviany
no nanadino ny ankany fodiany
sy ny hany fisian'
ilay sombiniainy ao an-trano marary
sy tsy homam-bary...?!!
Ny paoketrany, anefa ao, niavonan'ny ariary,
fa raha atontaly
'zay mba kapitaly
dia... ny bikany soa;
ny tarehiny mahafatifaty tokoa,
Tsy hotehiriziko ho lo!
hoy ny teny ireriny
sy ny an'eritreriny...
... Dia nampiratiany eny an'arabe
amin'ny zipo manify ary ity foto-pe;
Nadola, natonjony koa ny famindra
ka fatratra indrindra
ny endriky ny entana,
nampientanentana
ireo mpitsikaraka fahafinaretana.
Ny dokambarotra tenany, koa, moa mandaitra
k'indreo taitaitra
r'Ingahibetanora,
nandroso tsimora,
nanakona vola
ny lohany sola...
Dia indreny 'zareo fa nampiara-dia
hisoloky sy hisandoka indray ny fitia!
Mirana, teto, ny endrik'Ikiala;
ny ahiahy nisoritra teny niala;
ravo ny sainy
fa hinono ronono, ihany, Isombiniany!

Iny sipa iny,
Raha virijiny,
Izy iny fahiny....
...Ankehitriny...

Aleo tsy mitsara
Satria samy hotsaratsarain'ny tantara.

Fa ho ahy,
ry zalahy:
Ny tena lehilahy
Mandala fitsipiky ny "Ady MARINA"
tsy manindry lavo fa manampy mampiarina.

___________Hj Raveloson_
--------
Rohy:
141 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 15/11/2023 12:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146