A F A P O T O R Y - hjravs
Azo vakiana?
A F A P O T O R Y
Hay ve 'zao no tena izy e!
Hay anganongano; arira no notantaraina anay.
Kalo fandrotsiana ankizy
'reo velivelirano an-kira, nokaloina hatramin'izay:
Vatomamy e, kilalao...
Dia renoka tanaty nofy, tsy nanampanahiana akory.
Fa ny tsy hainareo dia izao:
Ny zazabe tsy maintsy taitra rehefa afapo natory.
Ilay lakan-kely nantenaina
hihazo morona hitodiana, hiainana amim-pilaminana.
Hay lakanjila nampiasaina
hamotika ny fiharian'ireo mpitrongy 'zay vao mihinana...
Raha ny tanjona eny ampita,
mbola eo anivon-drano dia miova hoazy izany,
ka io mihodina ary hita
fa miverina ny lakana ho any aorian'ny niaingany.
Eny, tononkalo monja
no mba hany fiadiana izay ananako amin'izao,
f'ho tonga hery iray mafonja,
eny am-bavan'ny voageja ka ho loza mitatao
eo ambony lohanao!
Hjravs
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 18/07/2022
Mpamangy : 198
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RESAKA MISY VOLOMBAVAAMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY...
FITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO
5/5