AMBOARA (Ikalamako)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mba ampy raha ny teny
Na andalana handry eto,
Hiderana ny herinao
Miady mafy handresena
Ilay foza mampikena.
Ary na miavy an’angaredona aza
Izato hetraky ny fiainana,
Toa ny sangy mihoatra loha ;
Vehivavy tsy mba lazoin’ady
Fa misiki-kerimpo
Lehibe tsy hay tohaina
Ilay namana lalaina.
Ka ny an-tsasa-taonjato
Tratra soa omaly izay,
Dia amboara holanjaina
Antoky ny tanja-tsaina
Eny an-kianja fiadiana
Tany maina sy makiana.


Roma, 10 febroary 2010

(Natolotro an'i Shoan, izay miady mafy amin'ny aretina amin'izao fotoana izao, tamin'ny nahatratrarany ny faha-50 taonany ny 9 febroary lasa teo, kanefa dia namoy ny rahavaviny koa izy ny 7 febroary).
--------
Rohy:
2368 1
Mpakafy: fahamarinana
Hevitra mandeha
toetra ( 09/03/2010 21:15)
Misaotra an'Ikalamako ami'nny tononkalo mampahery. Tsy nampoiziko ho mahay manoratra ianao !
ikalamako ( 10/03/2010 08:25)
Toetra > :) misaotra e. Tsy afaka mitaha aminareo fa dia mba rima nakarin'ny aingam-panahy fts.
fahamarinana ( 30/08/2012 07:23)
Ouh !! Izao ary vao voavakiko amin'ny fo tony ! Izay tokoa "Izy "iny o ? Mahalaza azy tanteraka io !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152