You are here: home > Vetso

Vokoka ilay vakoka. - Ikalamako

Azo vakiana?


Hoy ny filoha hoe :
Ho atsangana ny Kianja
Hamelomana tantara.

Saingy...
Tanaty kianja toa an'io
Tamin'ny andron'ny romanina
'Zareo glady mahafanina
Sy bibidia tsy saozanina
No nifanjevo nifanandrina.
Ka tao no nahitany farany
Ny anjara Masoandrony.

Vokoka ny Vakoka !
Tsy mivavaka ny vovoky
Ny lavenona nilevina.
Fa ratsy vikavika
Mahavakavaka saina
Ny ketriky ny vokivoky.


(22 mey 2020)

Sokajy : Tanindrazana

Hametraka hevitra

Midira aloha