Ampy izay ny hoso-bolamena (Ikalamako)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitresaha re ry foko,
Dia vitao ny amintsika,
Ndeha levony avokoa
Hatramin’ilay tantara sisa
Saika mbola hamenoana loha,
Hanamboloina paradisa.

Fa ilay tena izaho
Efa ela no avelo,
Nosoloiko kalitao,
Notefeko ho anjely.
Fa ny hoso-bolamena
Tsy mamiratra maharitra.

Ry foko doroka, mivena
Miatoa ! Samia salanitra.


(21 aprily 2015)
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
170 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149