You are here: home > Vetso

Diso ve ny kajy ? - Ikalamako

Nantsain'i
ikalamako


Fa setrasetrain’ny fiadian’ny saiko
Tsy avelany ho tony lay torimasokeliko.
Ny ondana nandriako mandon’hatsembohana,
F’ito lohako ito toa mangotra-tokana.
Ao anaty haizina ny masoko sahirana
Maminany izay misoratra amin’ny valindrihana.
Ianao, izaho, isika… Omaly, anio, rahampitso...
Dia sanatria ve ny kajiko ka diso ?
Ilay "Izaho mira Ianao" nataoko hoe mandra-maty,
Sao ankadasitra aminao ? Sao efa ho lany daty ?"

(8 febroary 2015)

Sokajy : Fitiavana