You are here: home > Vetso

Ny fizarantaonako - Ikalamako

Ny tsikin'ireo molotro,
Ny ranon'ireo masoko,
Ny hovitry ny vatako,
Ny senton'ny fanahiko,
Ny ankiafin'ny fiainako...
No norangotin'ito tànako
ka nampandriany an-taratasy
Ho loko maro tentina
hany amborahako
ny fizarantaonako.


29 mey 2012

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha