Fahafaha-notakiana (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa manako an-tsofinao ny tabataba sy hiakiaka
Raha nitaky fahafahana ireo mahery fo fahiny,
Moa mba azonao an-tsaina ireo bala nipariaka
Nitifirana azy ireny, nefa ny azy no notakiany???

Moa va mba tsapanao ny fanaintainana niaretany
Tamin'ny tsindry hazo lena 'zay nataon'ireo vahiny?
Moa va mba zakanao ny vesatra natao ho entany
Tamin'ny asa an-terivozona izay tena nijaliany?

Moa ho vitanao va re ny hanao ain-tsy ho zavatra
Toa nataon'ireo taloha ho an'ny dimby sy ny farany?
Moa ho vitanao tokoa ny hampita an'ilay hafatra
Ho an'ireo izay any afara tsy mahalala ny anarany?

Ô! Azonao ankehitriny 'lay fahafaha-notakiany
Namoizany ny ainy tamin'ny ady sy ny tolona
Moa mba ho hainao va re ny hanandratra an'izy iny
Amin'ny toerana ambony mba tsy ho voahitsak'olona?

22-03-17
--------
Rohy:
761 1
Mpakafy: Tolotrha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 28/03/2017 14:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142