Tononkalo hafa (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanoratra indray aho androany
Fa tsy hilaza izay senton'ny foko,
Tsy hitanisa alahelo, tomany...
Fa hanao tononkalo hafa loko.

Mba hilaza fa mbola manonja
Ny hafaliana ato anatin'ny foko
Na dia kely sy bitika mojna
Mila ho resin'ny onjan-toloko.

Hanoratra indray aho androany
Tsy hitanisa ny lasa efa rendrika
Na hangady ireo levona an-tany,
Fa hanao tononkalo hafa endrika.

Mba hilaza fa mbola misy ihany
Sombim-panantenana ato anaty
Na dia rakotra ankaso eto an-tany
Dia misy ihany fa mbola tsy maty!

Hanoratra indray aho androany
Fa tsy hitantara ahiahy vitsisitsy
Na 'zay mety ho tahak'izany
Fa hanao tononkalo hafa mihitsy.

Tsy mba inona izany hokaloiko
F'ilay fitiavako anao hatrizay
Tsara afina be tato am-poko
Ka indro fa hokaloiko indray.

Laharthe 24-10-18
--------
Rohy:
179 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 21/09/2023 10:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142