Hadalàna (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)

Hadalàna

Asa? Ny fo ve no adala
Ka tia misangisangy sy milalao afo?
Kanefa dia mahalala
Fa raha ny fitia tsy vitan-tsafosafo!

Ny ady an-tsefany any
'Zay makararirary, kanefa dia tadiaviny
Avy eo dia mitomany
Fa mampahory azy 'lay olona notiaviny.

Ary efa hainy tsara
Fa io fitiavana io dia mamy vao miandoha,
Mangidy fiafara
Kanefa dia iniany andramana ihany aloha.

Fantany ihany koa
Fa raha ny fitia tsy mamela an'izay azony
Mety mampamohifo
Nefa mbola tiany hotsapaina izany tazony

Eny! Adala mihitsy,
Mitady fahoriana hanampy ny efa ananana,
Mahalala ny mahitsy
Kanefa dia minia mivily fiholanana!

Laharthe 21-01-08
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1015 1
Mpakafy: Tolotrha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 21/04/2017 15:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141