LAINGA TOKOA ... (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lainga tokoa raha ny fo no hanadino
Ka hanao toy ny tsisy ny lala-nodiavina,
Lainga tokoa ary toa tsy hampino
Raha toa tsy tsaroana 'lay olo-notiavina.

Lainga tokoa raha tsy misy fitserana
Rehefa mikotroka ny ora-midona,
Lainga tokoa raha ny lasa niserana
No tsy mahamanina ka tsy tsaroana.

Lainga tokoa raha ianao ankehitriny
No tsy mba miherika kely indraindray,
Lainga tokoa raha ny andro fahiny
No navela ho levon'ny mandrakizay!

Lainga tokoa raha lazaina mangidy
Ireny fotoana niarahanao taminy,
Lainga tokoa raha toa tsy hotadidy
Na dia vitsy monja aza ireo ora maminy!

Lainga tokoa raha tsy misy azo ekena
Ny zava-drehetra 'zay efa voambara,
Lainga tokoa raha hoe mora resena
Ny fahatsiarovana manan-tantara!

Laharthe 17-11-17
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
971 1
Mpakafy: Tolotrha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 19/11/2017 11:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229