Ho avy any aho (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hivily any aho rehefa avy miasa
Mba hitsidika sy hamangivangy,
Tsy handeha hampatsiahy ny lasa,
Na hamerina ireo sangisany.

Ho avy any aho mba hiara-hitafa
Mbola manina fa tsy mahafoy,
Ho tonga aho f'aza mihafahafa,
Rehefa mihaody dia ampandrosoy.

Tsy hanaitaitra anao tsy akory
Raha toa aho ka mbola hankany
Na hamoha 'lay fitia izay natory
Fa hamangy sy hitsidika ihany.

Nefa... ao ve ilay malalanao?
Ndrao tsy tiany fa manelingelina
Raha 'ty 'zaho no mbola mankao
Fa raha ao izy... aleo aho hiverina.

Laharthe 2009

--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
875 1
Mpakafy: Tolotrha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 19/10/2018 21:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139