Fivoarana hoe? (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fivoharana hoe?

Toa mahavariana sy mahavalalanina
Ny fomba fiainana ankehitriny
Fa toa mitsipototra ka mahafanina
Raha ampitahana amin'ny andro fahiny

Ny soatoavin'ny Ntaolo fahagola
Tantara no sisa re any am-pianarana,
Fa ny fihavanana efa resim-bola,
Ary ny fanajana efa tsisy fampiharana...

Fa samy manao an'izay tiany hatao
Satria efa tsisy fifampitsinjovana,
Ny fitiavan-tena no zary lalao,
Mahavaka ny saina sy mahatorovana

Ny fanambadiana efa atao vazivazy,
Ka tsy aina intsony ankehitriny no fetra
Fa ny olona izao tsy voafehin'ny mariazy
Satria ny hampirafy no atao tarigetra.

Ary misy koa fomba izay mamoha-fady
Tena mahamenatra anefa aharihary
Dia ny olo-mitovy no mifanambady,
Koa dia nodikaina ny lalàn'ny voary.

Ny fomba fitafy nampihavaka antsika
Dia efa nivoatra ka tsy haiko tenenina
Fa na andro mafana na koa mangatsiaka
Dia aderadera izay tokony hafenina

Tsy fantatra intsony ny fahafaham-baraka
Fa toa voninahitra indray izao ny henatra
Dia ianao indray no mihafy sy vaka
Raha mahita azy ireo sahy mivelabelatra

Ireo gadona kanton'ny kalo fahiny
Dia efa nangina sy nangasihasy
Fa efa voazanakin'ny hiram-bahiny
Ilay rotsirotsin'ireo hira gasy...

Ka dia tabataba mila hahavaky loha
No ankamamiana sy mahalasa adala,
Fa ny antsika kosa valalan'amboa
Very nanjavona, tsisy mpandala.

Dia ilay tenin-drazana hoe teny gasy
No injao very sasaka any an-jorom-bala
Fa na ny manoratra an-taratasy
Dia be ny mandiso sy tsy mahalala.

Fa ny teny ilaina dia ny an'ny vazaha
Na any amin'ny asa na koa fanabeazana
Fa toa maivan-danja raha toa ka mitaha
Ny teny gasy izay hoe tenin-drazana.

Dia izany tokoa ve ny hoe fivoarana
Ariana avokoa ny soatoavin'ny Ntaolo?
Dia ny an'ny hafa no vohaim-baravarana
Fa ny anao kosa dia avela ho haolo.

Laharhe 18-11-17
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
959 1
Mpakafy: Tolotrha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 19/11/2017 11:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145