You are here: home > Vetso

Embona fanahy - Ny Ako

               Embona fanahy
     (tohin'ny ombona fanahy)
Tonga tany hono izy:
Endrika tanana foana sy nagina no sisa novantaniny

Indisy valaketraka ilay tava miramirana
Nijojo ny tomaniny.
Naratra teo ny fony nahita izato akany
mihilambaravarana sy lasa tranon-kala
Ny rindrina io jereo fa
kilalaon'orana sy ravan'ny hainandro

Ilay zaridaina teo dia nanjary toa nanahaka ny bozaka efa maina.
Tsy tao intsony ianao.
Nanjary simbandrahona teo ny androm-piainany
Iza no hitarainany?

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha