You are here: home > Vetso

Ombona fanahy - Rahira

          Ombona fanahy
Niombonany fanahy hono ianao iny alina iny
ka nihoby anao ny fony.
Ilay sarisary manja teny ankianjan'hasambara no lasa hosodokon'izany nofinofiny an'alimaizimpito.

Dia henika ny tratrany ny hanitry ny lasa
namerovero fatratra nadritra ny maraina
Tsy tana intsony anefa,
tsy tana ka tsy tratra
fa lasa andontsento nanorika ny tavany.

Fa na ny tsikinao na ny safon-tananao
na ny tratranao nadriany dia tsisy very ireny
Eny tsisy very fa tonga nivahiny tanatin'ilay nofiny

Teo dia nifandimby nadresy lahatra azy
ireny voary ireny teo ambaravarankely
Ka tapaka ny heviny fa ho any hono izy
Andeha hamangy nanao...

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Nyakosombinaina (18/07/2017 09:08:37)

Mahafinaritra fa misy ny sehatra toy izao ahafahana mifampizara ny kanto

Hametraka hevitra

Midira aloha