Tokan-trano (Rahira)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tokan-trano
Etsy ampatoriako izany zanako malalako
Etsy ampatoriako fa i Dada izao tsy fantatro na hody indray na tsia.

Manofisa mamy a!f'izao akeo eto ihany
Aleo izaho hiandry eto ihany f'i Dadanao izao mantsy
Tsy mahalala mody raha tsy efa alimbe
Amin'izay dia efa mamo vao miditra ny trano

Raha tsy izay indray dia:
Efa mangiran-dratsy vao iny mandondona
dia milamilavanona fa vizaky ny alina.

Etsy ianao rotsiako dia hatreo ny torimaso
Dia aza taitra akory raha sendra henonao mifamaly izahay mivady
Eny na dia miady.
Ka aza mitomany fa i Neny mbola eto ihany.

Etsy matoria!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
887 1
Mpakafy: Nyakosombinaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rahira
Nampiditra : Nyakosombinaina
Daty : 19/07/2017 05:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0299