Fianana an-tany (Ragasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izany no fiainana eto an-tany
Fifamoivozan' ny alahelo sy tomany
Mahalana ny fiadanana sy ny hafaliana
Mpamadika ireo olon-tiana sy nitokiana.

Fiainana an-tany mahajamba
Tsy azo afenina na saronan-damba
Tsy maintsy aseho sy aderadera
Ny olom-belona tsy tonga lafatra na pasitera na maopera.

Fiainana toy ny kodiaran-tsarety
Fahasambarana miserana kely vetivety.
Fianana?Setreko: tantely amam-bahona.

Mitolefika ny lohalika, miondrika ny loha
Fahoriana lava; mampamoy fo.
avelao ny hoavy no hanambara ilay ao ambadiky
ny rahona.
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1216 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ragasy
Nampiditra : ragasyh
Daty : 22/11/2014 09:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014