gasy voatsiny (Ragasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza fa...

Raha vinakinao ny diam-peniko
sy ireo kalo fiventsoko?
dia antenaiko
fa ho fantatrao ny amiko.
Ny zava-imatesako sy lalaiko
ary ny tsy tantiko.

Raha banjininao ny volana fikaloko,
dia hiritsoka am-poto-tsofinao ny aloko
ka hilaza sy hanambara,
hivazavaza ilay tantara
nolavinao.

Raha jinerinao ilay kanto lafatra
loko nahosotro ny fafam-potsy
nitondra hafatra
naika mba handrotsirotsy
kanefa nolavinao tamin'iny
dia ho jambena ny masonao
ho voatsiny...

Tsininao e,fondronao iny !
Fa novonoinao ilay takatra
ka tsy takatrao izay tiako ho lazaina
tsy azonao ny tiako hampitaina...

Lozanao
fa ho avy ny
fotoana
hiteny ny moana ka njary ianao ho tonga saina
ho renao ireto kanto mitaraina
fa hatramin'izay ka hatramin'izao
izy dia natotosikao,nozizimbanao
ilay zava-manan-kasina ka nitrikasinkasinana.
Nangasiasy
ny zava-kanto malagasy
tamin'iny
ka satroy ny tsiny e!
Fihino ny fondro
fa ianao no boka amin-tàna mondro...

Ragasy
gasy voatsiny
--------
Rohy:
933 1
Hevitra mandeha
IZY26 ( 29/04/2016 11:16)
tena hevitra hafa kely, misaotra mizara aminay e
ragasyh ( 02/05/2016 14:26)
ianareo no ankasitrahana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ragasy
Nampiditra : ragasyh
Daty : 25/04/2016 13:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105