Ilay mpandalo (Ragasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dray,dray,dray!
Zatovovavy tonga lafatra
Hantenaiko fa ianao Ray
No hampita ny hafatra

Vao nahita ny hatsarany izato foko
Nihovitrovitra ny fanahy
Saingy ny saiko kosa nitoloko
toa fitiavana mampanahy

Teny an-dalambe mantsy no nifankahitanay
Niara nidoboka ny fonay roa
Ny tato anatiko nisofy nivaivay
Satria samy mpandalo izahay roa

Ilay endriny sariaka
No namoronako ny anarany hoe meva
Tianao aho r'ilay ts'isy tomika
I Adama kosa no anarako raha ianao meva

Vehivavy sariaka sy tia tsikitsiky
Nandeha mora nidoladola
Mety mbola hisy fanantenana ihany ve r'iky?
Setreo amin'ilay feo miangolangola

Misento mangina ny ato anatiko
Tehoany amin'ny vohitr'ilay paradisa
Nofy mikiky ahy daholo izany ka tsy tantiko
Rano miantoraka an-damosin-gisa?

Mba tsarovy ihany aho fa aza dia avela irery
Aiza ary no mety ahitako anao r'ilay meva ny foko?
Ny fitiavako ity mivenjivenjy eran'ny tanĂ na tena very
Sady malok'endrika mitanondrika foana no mitoloko

Hoanareo izay mety ahita azy
Mba hampitao izany hafatra izany
Hampitao fa aza raisina vazivazy
Mahatoky anareo aho fa hitondra an'izany any ho any
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka - Fitiavana
1178 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ragasy
Nampiditra : ragasyh
Daty : 28/11/2014 19:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155