Siotsiokan' i Dadabe (Ragasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ô re olona? Ilay siotsiokan' i dadabenay
Tsy ho adiniko mandrakizay!
Ankehitriny, nangiana izy;
Indro, tomany ny ankizy!

Folaka Andry niankinana ny daholobe
Tsaroako ilay solonifiny nipitika rehefa vaky hehy!
Toa manina azy aho izany!
Tsy maintsy nandao izy satria olona ihany.

Raha mba izaho tokoa mantsy no Andriamanitra?
Tsy nisy maty dia tsy nisy koa ny mahantra.
Saingy Andriamanitra no mpandahatra;
Lasa i Dadabe,izay angamba no anjara sy lahatra!

Eh! Injany manakoako ilay siotsiokan' i Dadabe;
Fa nahoana aho no tsy maintsy mandre?
Ilay siotsiokany mandrotsirotsy:
Sarobidy tokoa toy ny volafotsy
--------
Rohy:
1308 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ragasy
Nampiditra : ragasyh
Daty : 23/12/2014 09:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139