Tovovavin' Iarivo (Ragasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tovovavy bôgôsy
Saingy mpandoaka paosy
Azo atao ihany hoe mpisam
Halaviro mihitsy kah! Aleo milam!

Mandeha mitopa-bolo
Aoka etsy! hoy ry ingahy Rasolo
Aza mitondra ahy amin'ny fakam-panahy.
He! He! He! Hoy ity tovovavy fa angaha tsy sahy!?

Aleo mihitsy aloha zokin'ny any aoriana
Hoy ingahy Rasolo etsy sady variana.
Nisarimen' ilay sipa
Ka nigesta tamin'ny pipa!!!

Tsy tana mihitsy Rasolo
Niridanabe sady velom-bolo
Saingy nariana vao lany ny saosy
Indrindra koa lany lasantsy ny ''moto crosss''.

Very teo ingahy lehibe
Fa nihena indray ny zipo; nitombo ny fe
Nibaribary ka samy namoaka maso, He!
Aoka lahy! Aoka e! Aoka re! Hoy ny daholobe!!!

Ny fitafiny marevaka tsara sy raitra
Toy ny tsindrom-pandraitra manaitra,
Tampoka ka mamoha ireo mila atory
Io ry rivotra, tsofy fa tiako ho hita ilay fe boribory.

Tovovavin' iarivo manambaka
Voalavo lava-tenda mandrapaka ny saka.
Tsy hita intsony izay anaovana azy
Ny mety aleo atao any ny tany fady!

Andray izato lokomena
Siotsiokan-drizalahy etsy! Hena! Hena! Hena!
Tsy azoko izay tiany ambara ka aho zendana
Nampiany indray hoe! Entana.

Faly ery ireto jiolahim-boto
Mahita ny tratrany mivonto.
Izaho koa aza mba nanalava maso
Tsy naharay lamba, tsy nahateny hoe andraso!!!

Indray andro raha nandeha ny tena
Horakoraka ny reko; Hena,hena.
Lasa ny saiko ka te hanontany
Hoe inona ary izany!?

Tovovavy tena manja;
Mangirana toy ny tsela-banja!
Saingy ny feo reko tsy izany velively
Hono hoe latsaka kely ny makorely.

Ny molony mihoso-lokomena
Ny fandehany mientanentana
Ny kirarony avo dia avo
Tovovavin' iarivo ireny e, mahafaly sy ravo!!!

Ragasy
--------
Rohy:
1493 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ragasy
Nampiditra : ragasyh
Daty : 04/03/2015 04:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145