Na dia izany aza!!! (Ragasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dia izany aza ve
dia no fafanao ny Anarako?
Aza hitako! Marina hoe,
dia sanatria koa ve novonoinao ny tantako?

Izaho no diso,ekeko izany!
Kanefa na dia izany aza ve
dia tsy nojerenao akory ny tomaniko?
Eh! Ireo tsara vitako anie mba jereo e!

Hifonako re ny fahadisoako e!
Lelafiko ny faladihanao; mba hiantrao!
Na dia ireny aza ny ratsy vitako:
Ity pitrapitrako,sefosefoko,mba jereo dia hangorao!

Maro loatra tokoa,
Ireo tsy fahamendrehana teo imasonao.
Kanefa nisy koa ireo soa izay nataoko tamin' ny fo,
ka nadia izany aza mba hiantrao re fa efa olom-baovao!
--------
Rohy:
1092 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ragasy
Nampiditra : ragasyh
Daty : 12/01/2015 17:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145