You are here: home > Vetso

RAHA - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Azo vakiana?

Raha mbola tao am-bohoka ny vatana masoandro
d'efa kotsakotsan-drano iny vodi-lani-manga
iny habakabak'iny tondratondra-dranonando
ny faladim-panahiny toa tsy mitafy lamba
.
Nihintsana vao aliny iny ravinkazo maina
fa nirodana ny elo nanatroka ny havoana
ireo lavadava-pito sisa no any singotr'aina
hanohitra ny tsikiko rahampitsoko misaona
.
Irony nifin-kintana fonosinao ry molotra
tsy hoe banga iny akory fa mbola fenomanana
iry volana iry mihitsy no hoavy mba hanoroka
hameno irony tsiky ho tonga fiadanana

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha