You are here: home > Vetso

MATETIKA - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Ny olona tiana raha tazana matetika
dia toa hita soritra fa miha miha milentika
ilay hatsaran-tarehy sy hatsarana bika
nifankahitana fony vao niandoha
dia toy izany koa ny saina sy ny fo
lasa mankahala ilay tiana sy malala
matetika toa hita
.
Matetika ny tiana any lavitry ny maso
ahitana tsirony sy ahitana fafy
satry foana hiantso
ilay tiana sy malala na dia any andafy
.
Matetika ilay tiana hiriana ho anjara
tsy mety ho lasa vady
f'ireo izay tsy antenaina ho lasana malala
manao ombay mitady
.
Matetika dia tsy afaka amintsika zanak'olona
ilay mitia amin'ny endrika somary feno bika
ka raha vao ratsiratsy sy somary petak'orona
dia tsy tiana ho malala ilay bandy sy ilay sipa
.
Matetika nefa dia ireny vehivavy lazaina fa sondenda
no tena manana fitiavana sy manana fanahy
f'ireo izay manam-bika somary meva meva
mampivarina ny fo any ambany rangolahy

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha