You are here: home > Vetso

NENY - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Azo vakiana?

Neny ilay loharano nipoirana
raha tsy nisy azy isika dia tsy mba toy izao
neny ihany koa ilay mbola nisahirana
nanabe sy nikolo ary nitaiza anao
.
Tena tiany ianao matoa anariny matetika
fa tsy hoe fankahalana akory ireny fibedesana
satriny hiposaka ny fiainanao milentika
matoa ianao kapohany amin'ny hazo famelesana
.
Neny no mifoha raha vao mipotra ny maraina
dia mbola i neny koa no manasa irony lamba
fitiavana daholo irony menaky ny aina
no antony hilofosan'i neny sy i dada
.
Mba inona kosa ary no avalinao azy ireny
noho ireo soa izay nataony hatramin'izay
ny valim-babena aza adino velively
fa mba tolory fanomezana tena milay

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha