You are here: home > Vetso

METY VE? - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Azo vakiana?

Mety ve ry Andriamanitra
raha mangalatra ny tenako?
dia hanasoavako 'reo mahantra
'reo volabe sy 'reo harenako
.
Azo tamin'ny tsy rariny
nefa koa mba nangalariny
koa mba valio re ry tompo
ny momba ilay raharaha maloto
.
Dia 'reo hare-maloto etoana
no entina ampandrosoana
'reo mahantra mivavaka
.
Nefa miaina anaty lavaka
izany volabe izany
dia omena anao ihany
rehefa voavonjy 'reo zay ory
.
Ry Andriamanitra ao ambony
koa mety ve sa tsy mety?
mba valio vetivety

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha