You are here: home > Vetso

MBA HO FANAVOTAN-TANINDRAZANA - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Azo vakiana?

Raha ny aiko miala
ry tanindrazako malala
no aha avotra anao
amin'izao fotoana izao
.
Dia tsy maninona aho fa vonona
hanao ny tenako ho sorona
ho fanavotam-pirenena
miainana anaty mahonena
.
Ka dia tsy ihemotra aho Ragasy
na iza hanapoaka basy
manoloana izato foko
fa dia vonona aho hiroso
.
Ary hiroso hatrany hatrany
mba hanavotra ity tany
ary mihitsy aho tsy hitorona
raha tsy vita izato tolona


Sokajy : Fahatsiarovana

Hevitra mandeha

Avotra09 (27/11/2018 12:11:53)

tsara be fa misaotra e!

ramandrongony.anhabakabaka (28/11/2018 05:52:12)

Ianao no tena isaorana Avotra aa

Hametraka hevitra

Midira aloha