You are here: home > Vetso

MITOMANY - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Azo vakiana?

Mitomany ny fo mahatazana irony talaho
ataon'ilay tia amin'ny tiana mandao
dia manontany tena hoe mantsy raha mba izaho
no itomanian'ny tiako toy izao
.
Dia ho sambatra ny foko satria
izany lehiretsy no tena fitia
nefa rahoviana moa vao mba tena hisy
izany voninkazo itomany ity fo tena tia
.
Ny tazako sy hitako zao dia ny lisy
itomaniana sy ilelafam-paladia
fa ny voninkazo tiako andatsa-dranomaso
manao fo vato
.
Toa mampite hiteny hoe avia manatona
fa aty koa efa misy fo tahaka anao voadona
dia hiaraka isika efa samy voaratra
mba hampiseho ilay fitia lalim-paka

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha