TSY MISY MAHARESY ANAO (Rasobakobako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo lolom-po
Ny alahelo koa
Tsy maharesy anao

Itony adin-tsaina
Mandreraka ny aina
Tsy maharesy anao

Ny vola sy harena
Fananana sesehena
Tsy maharesy anao

Ny tsy fahampiana
Ny trosa, fahoriana
Tsy maharesy anao

Ny rehareha rehetra
Eboebo tsisy fetra
Tsy maharesy anao

Fiatsaram-belatsihy
Sy ny olona tsy tia
Tsy maharesy anao

Ny avonavom-po
Fanamarinan-tena koa
Tsy maharesy anao

Ny lainga tsara lahatra
Ny fitaka izay alahatra
Tsy maharesy anao

Ny sampy sy ny ody
Ny ozona ny tody
Tsy maharesy anao

Fahaizana, fahalalana
Fianarana, fahagagana
Tsy maharesy anao

Ny sampy sy ny joro
Ny razana sy kalanoro
Tsy maharesy anao

Ny fahoriana mianjady
Ny fitsapana sy ny ady
Tsy maharesy anao

Ny fakampanahy
Sy ireo ahiahy
Tsy maharesy anao

I satana mampimalo
ny devoly fahavalo
Tsy maharesy anao

Raha fintinina dia izao
Izao tontolo izao
Tsy misy maharesy anao

Mpanoratra : Hary RASOAHOBY (pseudo : RASOBAKOBAKO
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fiderana
1529 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasobakobako
Nampiditra : rasobakobako
Daty : 17/04/2009 13:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014