You are here: home > Vetso

NY HANY ANGATAHINAO - Rasobakobako

Azo vakiana?

Ny hany angatahinao...

finoana voatsinampy
Fa tsy toy ny vatolampy
No hany angatahinao

Fianteherana aminao
Sy ny entako ho entinao
No hany angatahinao

Fanekeko fitondrana
Tsy ho amin’ny lalam-pahotana
No hany angatahinao

Safidy lalana izay ety
Zay neveriko ho tsy nety
No hany angatahinao

Famelana anao hiasa
Amin’ny zavatra voakasa
No hany angatahinao

Baiboly izay vakiana
Sy ny asa fitoriana
No hany angatahinao

Famelana fahotana
Sy ny teny hoe mihavà na
No hany angatahinao

Fiainana mandrakizay
Efa voaomanao ho anay
No hany angatahinao


Mpanoratra : Hary RASOAHOBY (pseudo : RASOBAKOBAKO)

Sokajy : Fampaherezana, Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Rasobakobako


Nampiditra : rasobakobako
Daty : 17/04/2009
Mpamangy : 921
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

SATRIA MBOLA TIA
TSY MISY MAHARESY ANAO
IZA MOA IZAY IZAHO ?
IZAHO SY IANAO
NY HATSARANAO
NOMENAO AHY AVOKOA