You are here: home > Vetso

SATRIA MBOLA TIA - Rasobakobako

Azo vakiana?

SATRIA MBOLA TIA

Lainga …
raha tsy alahelo
raha tsy hitomany
raha tsy hiady saina
raha hoe tsy tia

Fa leo …
malahelo
mitomany
miady saina
mitia

saingy…
tsy te alahelo
Tsy  te hitomany
Tsy te hiady saina
Mbola tia

Mandram-pahoviana aho no mbola ...
halahelo ?
hitomany ?
hiady saina ?
ho tia ?

…………..

Mpanoratra : Hary RASOAHOBY (pseudo : RASOBAKOBAKO)

Hametraka hevitra

Midira aloha