NY HATSARANAO (Rasobakobako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hatsaranao
Na ny entako mavesatra,
ny jaliko,ny olako
Dia angatahinao, hozakaina, hobataina,

Ireo trosa mitambesatra,
ny ziogako, ary ny otako
Mbola lazainao fa hofafaina, sy hosasaina

Tsy tsarovanao akory
ny haratsiako, ny adisoako
Fa omenao fahefana aho mba hangataka ny ilaina

Fasahiranana, sorisory
mandreraka ny lohako
Manome toky ianao fa hanala ny adin-tsaina

Mpanoratra : Hary RASOAHOBY (pseudo : Rasobakobako)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fiderana
1537 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasobakobako
Nampiditra : rasobakobako
Daty : 17/04/2009 13:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094