NOMENAO AHY AVOKOA (Rasobakobako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nomenao ahy avokoa
Ny endrikao tena soa,
sy fofon’aina mahavelona
Ilay vady tia sy tiako koa,
nomenao ahy mba hamelona
izato vatako salama,
ireo dimbiko sy farako
ny talenta, fahalalana
ary ny asa fitadiavako
Ny sakafo izay haniko ,
sy ny akanjo itafiako
Ny entana ao anaty tranoko,
sy zay rehetra fandaniako
Ny famindramponao,
ny zanakao lahy tokana
Ny fanahy masinao,
ny fitahianao ahy manokana

Nomenao ahy daholo ireny
Sady mbola narahinao teny
“fa izaho momba anao,
mandrampihavin’ny fahataperan’izao tontolo izao”

Mpanoratra : Hary RASOAHOBY (pseudo : RASOBAKOBAKO)
--------
Rohy:
1455 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasobakobako
Nampiditra : rasobakobako
Daty : 16/04/2009 14:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098