IZA MOA IZAY IZAHO ? (Rasobakobako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza moa izay izaho no tsy maintsy hajaina
Mitady voninahitra, mba tsy ho vingavingaina
Tsy mba manetry tena araka ny baikonao
Nefa tsinotsinona akory raha lavitra anao

Iza moa izay izaho no tsy maintsy omena
Izay rehetra angatahina sy izay mety mbola ilaina
Manandratena fa ilaina amin’ny asa izay atao
Nefa tsinotsinona akory raha tsy notinendrinao

Iza moa izay izaho no tsy maintsy hotiavina
Hoe hoekena izay tadiaviko fa tsy mba misy holavina
Mihevi-tena ho ambony, sy mahavita izay atao
Nefa tsinotsinona akory raha tsy manana anao

Iza moa izay izaho no tsy maintsy itokiana
Anankinana ny asa sy izay mety ho takiana
Manamarin-tena fa mahay ami’izay rehetra atao
Nefa tsinotsinona akory satria manadino anao

Iza moa aho no tena tianao ?
Ry Andriamanitra Tsitoha nahary zao rehetra izao
Izaho ilay zanakao tena maminao
Tsy mba foinao ho very fa nampahatsiahivinao
Hay efa nomenao ahy izay rehetra notadiaviko
Fanajà na, fanomezana, fitiavana, fitokiana
Fa tsinotsinona aho raha tsy manompo anao


Mpanoratra : Hary RASOAHOBY (pseudo : RASOBAKOBAKO)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fiainana
1316 1
Mpakafy: endrika01
Hevitra mandeha
endrika01 ( 11/07/2009 07:18)
Mahay manoratra tsara tokoa ianao.Mahafinaritra
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rasobakobako
Nampiditra : rasobakobako
Daty : 17/04/2009 13:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118