FITIAVAKO ADALA (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVAKO ADALA

Misy hilaza fa tsy marina,
Fa heloka sy fahotàna;
Fitia robahina, angalarina,
Mandika didy fandraràna;

Misy hilaza ho hadisoana,
“Fotoana nahavery saina”
Angamba ho dila, tsy ho tsaroana
Rehefa hifoha ny maraina;

Misy hilaza ho sangisangy,
Fanarian-dia, na kilalao;
Angamba nofy… vandivandy,
Sa fiainan’izao tontolo izao…

“Hasambarana tsy mendrika”,
“Paradisa angalarina”,
Nefa tsy ho tola na ho rendrika
Satria nanori-paka lalina!

Ryana
(04/06/08)
--------
Rohy:
3159 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161