You are here: home > Vetso

TIANY, HONO, AHO... - Ryana

Azo vakiana?

TIANY, HONO, AHO…

Tiany, hono, aho…
Dia aiza sy rahoviana? ny inona? nahoana?
Tsy takatro ny valiny;
Ahiahy sy fanontaniana no zary manoloana,
Tsy ahitàko rariny!

Tiany, hono, aho…
Dia satriko hofantarina hoe hatry ny oviana,
Amam-bolana sa taona?
Dia tiako hovinaniana hoe haharitra hafiriana,
Hihelina sa ho eo foana?

Tiany, hono, aho…
Ny fitiavany ahy ve hahatozo elanelana,
Haharesy ny halavirana?
Hateza sy haharitra sa handalo ka hiserana,
Tsy hitako mangirana!

Tiany, hono, aho…
Fitiavana mankaiza? Toa inona no anjarako?
Izaho no fahafiry?
Sombim-piainany aiza no misy ny anarako,
Ho lefy sa ho voatahiry?



Raha ireo no atambatro dia naleoko ihany izy tsy niteny
Naleoko ihany tam’izao;
Tsy mba nampoiziko ho rofy sy tebiteby lavareny
No tohin’ny hoe “tiako ianao”…

Ryana
(02/03/09)

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

katiaa (05/03/2009 13:56:30)

Misaotra Ryana fa tsara be :-)

Zozoro (05/03/2009 15:44:16)

Tiako ny vetsovetsonao
Misaotra sy mankasitraka

Ryana (06/03/2009 10:10:02)

Misaotra nitsidika sy nankasitraka!
Tsarà.
Ryana

tiff (14/03/2009 15:00:46)

tena tsara ka.fa tiany hono zany enao fa aza asina fantanina tsony e

pissoa (16/03/2009 13:07:23)

Mitombina be ilay fanontaniana Ryana hi hi hi.

scotlandyard (27/03/2009 10:32:56)

Tiany hono ianao
Tiany fotsiny amin izao
Tsy nasiany kajy
Na toera-na sokajy

Tiany hono ianao
Tiany fotsiny amin izao
Tsy nasiany fe-potoana
Na hoe tiany ahoana

Tiany hono ianao
Tiany fotsiny amin izao
Tiany amin ny fo
Fa tsy saina sy loha

Tiany hono ianao
Tiany fotsiny amin izao
Tiany tsy nomanina
Na vokatra adi-sanina


Ilay fitiavana tanatiny
Nolazainy fa tsy tantiny
Ilay fitia tam-pony
Tsy voafehy intsony
Ka naleony dia naboraka
Ilay fitiavany hivoraka
Tsy nasiany hoe nahoana
Sao miteniteny foana

sarobidy (07/04/2009 12:38:37)

Tsara be Ryana a =D, ndrindra ny namalin'i scot anazy

cooper (03/06/2009 13:54:14)

TIAKO, IZY…

Tiako, tena tiako izy…
Tiako fôna fôna
Tsy asiako fotôna;
Fa isan'andro vaky izao,
Dia toa mahita ny endrikao!

Tiako, tena tiako izy…
Tsy mila hoe fantarina hoe hatry ny oviana,
Fa mandrakizay doria
Izay tiako hiainana sahady ,

Tiako izy tsy hitako intsony izay hanohizana azy
Fa vetso sendra mba tao anaty izay lasa ho azy...

kiriah (23/02/2012 22:54:55)

cooper

Hametraka hevitra

Midira aloha